Actualités

Haintrano tetsy Ankadifotsy Olona am-polony no tsy manan-kialofana


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Nitrangana haintrano omaly folakandro teny Ankadifotsy, Boriborintany fahatelo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia trano hazo no niandohan’ny afo.

Niitatra hatrany izany ka nahazo ireo tokantrano 7 hafa manodidina izay misy olona am-polony. Vokany, tsy manan-kialofana avokoa ireo farany. Zaza amam-behivavy anefa ny ankamaroany ary tsy manana afa-tsy ny fitafiana eny an-kodiny sisa. Raha araka ny vaovao azo hatrany mantsy dia lasa lavenona avokoa ny entana tao an-tokantranony rehetra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra vokatry ny ezaka nataon’ny sampana mpamonjy voina. Raha araka ny feo mandeha hatrany moa dia nisy ny nilaza fa niniana nodorana ilay trano niandohan’ny afo. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT