Actualités

Haintrano tao Antseranampasika Fianakaviana 07 traboina, Ar.180 tapitrisa lasa lavenona


  • Talata 16 Aogositra 2011


 Nitrangana haintrano tao Analamboanio Antseranampasika Toamasina ny alin’ny zoma 12 aogositra teo. Trano 07 izay samy fivarotana sy magazay fametrahana entana avokoa ireto may ireto. Tokony tamin’ny 11 ora alina no nisy nahita ny afo tao amin’ny trano iray izay tsy misy olona mipetraka mifanila amin’ireto trano lasa lavenona ireto. Efa tao anaty torimaso rahateo ny mpianakavy, ny afo koa tonga dia nanakatra ny tafon’ilay trano niandohan’ny afo. Ny famoahana izay tratra sy ny zaza no azon’izy ireo natao. Tsy ilaozan’ny mpanararaotra ny toy itony ka tovolahy iray no saron’ny FIP ambodiomby. Mitentina Ar.180 tapitrisa teo ny fananana lasa lavelona tamin’ireo trano 07 may. Efa manao fanadiadiana ny faritra Atsinanana sy ny polisy ka ho hita eo ny marina momba ity haintrano ity.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT