Actualités

Haintrano tao Alatsinainy Bakaro Zaza 3 indray maty, may sy sempotra


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Zaza miisa telo be izao, 5 taona, 3 taona ary vao 12 volana monja no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny haintrano tany amin’ny kaominina Alatsinainy Bakaro ny omaly Alarobia 03 Aogositra.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia navelan-dReniny tao an-tokantranony izy ireo fa lasa nitady kitay mba handrahoan-kanina ny Reniny. Tany an-dakozia tany amin’ny farany ambony izy telo mianadahy kely no niandry nandritra izany ka nilalao afo raha araka ny vinavina. Tokony hahandro sakafo atoandro mantsy izy ireo. May avy hatrany ilay trano vokatr’izany ka namoy ny ainy may sy sempotra tao ihany koa izy 3 mianadahy. Ankoatra ny fahamaizana izay mety hahafaty moa rehefa tonga any amin’ny dingana fahatelo hoy ny mpitsabo nanaiky niresaka taminay dia anisan’ny antony mety hahafaty ireo olona may ihany koa ny setroka tafiditra any amin’ny fo sy ny havokavoka. Tsy hanavahana izany tranga izany na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe ka ilana fitandremana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tsy tao an-tanana ny Rain’ireto zaza ity fa lasa niasa any Anjozoro. Efa tonga nijery ny zava-misy nitranga tao an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ireo dokotera any an-toerana izay fantatra fa mbola nahita ny fidedaky ny afo tamin’ilay trano izay nifandrimbonan’ny fokonolona novonoina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay trano may
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT