Actualités

Haintrano tany Antalaha 6 tapitrisa Ar ny fananana lasa lavenona


  • Talata 19 Jolay 2022

Maromaro ireo olona traboina ao amin'ny Fokontany Maherifody, sektera 05 Belle Rose, Antalaha amin’izao fotoana izao.

Tsy misy mahita aleha izy ireo fa mipetraka any amin’ireo fianakaviany na any amin’izay olom-pantany mahazaka azy sisa. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny alakamisy 14 Jolay lasa teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina no niseho ity haintrano ity.Trano ahitana efitra 03 no may kila hotohoto’ny afo niaraka tamin'ny entana tao aminy. Labozia no niatombohan'ny afo, raha ny nambaran'ny tompon-trano. Soa ihany anefa fa tsy nihitatra izany.Nifanampy tamin'ny famonoana ny afo ny fokonolona saingy na izany aza dia nihitatra hatrany ny afo.Levona tao avokoa ireo fananana nohariana aman-taonany maro, mitentina 6 000 000 Ar hoy hatrany ny vaovao. Mahatsiaro ho sahirana ity fianakaviana ity noho izany koa manao antso avo amin’ireo malala-tanana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT