Manomboka mamely ny haintany eto amintsika vokatry ny tsy fahampian’ny ranon’orana.
Tsy mijanona eto amin’ny Faritra Analamanga ihany izany fa mipaka hatrany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony mihitsy izay efa tsy nahitana rano fisotro madio intsony nanomboka tamin’ny herinandro. Vokatry ny doro tanety, ny fandripahana fahatany ny ala… amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany izay ilana ny fiaraha-mientan’ny daholobe. Ankoatra ny tsy fisian-drano mantsy dia misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika olombelona ihany koa io hafanam-be io toy ny firongatry ny aretin’ny taovam-pisefoana dia ny kohoka, ny sery, raha mahazo vahana ihany koa ny aretin-tenda, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Tokony ho tonga saina araka izany ny rehetra hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy. Efa loza mananontanona izao zava-mitranga izao hoy izy. Tokony hifanome tanana amin’ny fambolen-kazo ny rehetra hoy hatrany izy hahafahana mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manerana ny faritra mihitsy no hanaovany izany fanentanana izany. Ho azy manokana moa dia eny Soaniedanana PK 67 no hanatanterahana izany manomboka ny 26 Desambra ho avy izao ka zana-kazo 10.000 no efa vonona ankehitriny. Tarika maro no efa nanome tanana azy hanafana ny lanonana toy ny tarika Willy, Rebika, Nisaina Mavolamba. Azo hatao moa ny misoratra anarana eny anivon’ny FITRAMA ho an’ireo vonona ny handray anjara amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.