Actualités

Haino aman-jery Piraty sa tsy omena alalana ?


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Tratra ny Radion’ny Gasy sy ireo izay nampandeha azy tao. Nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izay “mety” rehetra nankalazana ratsy azy io, fa hoe piraty. Piraty ahoana tokoa moa ? Fanontaniana tsara apetraka izany ary mila itondrana famarihana sy fanazavana ihany koa.

Tsy takona afenina mantsy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery teto Madagasikara tato anatin’izay roa taona izay. Nanao ranolava ny fanakatonana haino aman-jery. Voa tao anatin’izany ny fahitalavitra Viva, an’i Andry Rajoelina. Nakatona ! Rehefa izay dia niharan’ny valifaty ka tsy afa-maina ny radio sy fahitalavitra MBS, fananan’i Marc Ravalomanana. Nodorana ! Noraofina avokoa ny fitaovan’ny Radio Mada. Nogiazana ! Nentina ny fitaovan’ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny fiangonana FJKM, izay i Marc Ravalomanana no filoha lefitra ao. Tsy naverina ! Fantatra fa nisy ny fangatahana ny hamerenana ireny fitaovana ireny, hampandehanana indray ireo onjampeo ireo, fa nanaovan’ny FAT be marenina.

Resaka politika tsotra izao no antony. Satria adversera i Marc Ravalomanana. Saika fananany na mifandrohy aminy avokoa mantsy ireo lasibatra ireo. Misy indray ireo sokajina radio sy fahitalavitra efa nahazo alalana hisokatra tamin’ny 2009, fony i Nathalie Rabe, ministry ny serasera, ary maro no efa niroso amin’ny andrana teknika. Azo an-tsaina ny fampiasam-bola nataon’ny tompony hampandehanana azy ireny sy ny famoronana asa naterak’izany. Nisy 50 tany ho any izy ireo saingy nolazaina indray fa tsy ara-dalàna, ary nasaina mba tsy hilazana fa terena hampiato ny fandaharany. Ny sasany aza moa nitondrana basy mihitsy ny fanidiana azy, toy ny Radio Fototra an’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Misy koa anefa no tafiditra amin’ny lisitr’ireo radio sy fahitalavitra nambaran’ny FAT fa mikatona nefa mbola mandefa tsy amin’ahiahy mihitsy ny onjampeony.

Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe inona no isokajiana ireto andiana onjampeo ireto ? Tsy ara-dalàna sa piraty ? Aoka hazava ny resaka ! Ny amin’izay votoatim-pandaharana indray, mba samy mandre ihany raha ny eto an-drenivohitra eto : na ny mpanentana fandaharana no manafokafoka olona mivantana amin’ny onjampeo na misy olona nomanina mba hiantso an-tariby mivantana ary mahavita manompa mihitsy, nefa toa jerem-potsiny, satria an’ny mpitondra izy ireny. Ka demokasia inona, ary fahalalahana miteny ahoana io lazaina fa mahasarotiny amin’izao io ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT