Actualités

Haino aman-jery Hisy fahitalavitra tsy miankina roa hakatona ?


  • Alarobia 23 Febroary 2011

Eto an-drenivohitra avokoa ireo, araka ny loharanom-baovao, ary efa nahazo fampitandremana taorian’ireny raharaha BANI ireny ny iray.

Antony politika tsotra no antony rehefa nohadihadiana fa tsy misy idiran’ny tsy fanarahana bokin’andraikitra. Ny iray dia voasoketa ho miborosy loatra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny faharoa kosa indray dia manelingelina ny mpitondra ambony ny tompony na dia anatin’ny fitondrana aza izy io. Mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy, ka hampiasa ny haino aman-jeriny ho amin’izany, io mpanelingelina io. Ankoatra izay dia hentitra ry zareo avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny OMERT raha nilaza fa dia tsy handefitra amin’ireo radio sy fahitalavitra tsy ara-dalàna. Voakasik’io na ireo tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna hampiasa maridrefy handefasana onjampeo sy ireo izay nahazo fahazoan-dalana hiroso amin’ny andrana teknika tamin’ny andron’ny ministra, Nathalie Rabe.

Nanamafy ny hanaovana io fanadiovana ny tontolon’ny haino aman-jery io ny roa tonta hatramin’ny nilazana fa sarona ny Radion’ny Gasy, izay voasokajy ho radio piraty. In-droa miantoana izao, 24 mey 2010 sy ny alatsinainy 21 febroary 2011 no namoriana mpanao gazety nilazana fa tratra io radio io, ankoatra ny fisavana natao tamin’ny 13 janoary 2010 sy ny 20 mey 2010. Misy milaza ho mbola mandre soa aman-tsara io Radion’ny Gasy lazaina fa sarona io anefa ka mipetraka ihany eto ny fanontaniana amin’ny fahombiazan’io fisavana natao io. Ankoatra izay dia lavitry ny mangarahara koa ity fanadiovana ny haino aman-jery resahina ankehitriny ity.

Misy ny radio akatona, raha ny eto an-drenivohitra, voakasik’izany ny radio Fototra an’ny antoko Maitso, misy anefa no mandeha hatrany, toy ny Radio Platine an’ny Media Consulting. Toy izany koa amin’ny fahitalavitra, nasaina najanona ny Channel M, mandeha anefa ny TNT TV raha tsy hanamarika afa tsy ireo. Miandry ny valin’ny tolo-bidy nambaran’ny ministeran’ny serasera mikasika ny fitrandrahana maridrefy koa ny maro. Mby aiza ny vokatra mahakasika azy io, fa tsy misy tatitra mazava ny amin’izany ? Mby aiza koa ny Parlemanta manoloana izany, raha manara-maso ny asan’ny governemanta tokoa no asan’izy ireo ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT