Actualités

Haino aman-jerim-panjakana ORTM Naseho omaly ny fanaovaozana


  • Zoma 04 Desambra 2020

Notontosaina omaly ny lanonana nentina nampahafantarana ireo endri-panavaozana rehetra

 

 

 

vita teo anivon'ny ORTM ahitana ny TVM sy ny RNM etsy Anosy. Nitarika izany lanonana izany ny Praiminisitra, Ntsay CHRISTIAN, niaraka tamin'ireo mpikambana sasany eo anivon'ny governemanta. Nitondrana izany fanatsarana izay avokoa, ny foto-drafitrasa ankapobeny, ireo fitaovana ampiasaina, ny famolavolana fandaharana samihafa izay niompana tamin'ny fanabeazana ireo olom-pirenena. Natsaraina ihany koa ireo "plateau" entina hanolorana vaovao na fandaharana.Nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, fa anisan'ny ezaka manaraka hapetraka eo anivon'ny ORTM indray ny fametrahana "dome" lehibe misy toeram-pilanonana sy hanodinana fandaharana, hisy ihany koa ny mozean'ny haino aman-jery entina hampirantiana ireo tahirin-kevitra nanasongadina ny televiziona sy ny radio. Nofaranana tamin'ny fanokafana ny takelaka manamarika ny endrika vaovao an'ny ORTM ity lanonana ity, ary nitohy tamin'ny fitsidihana ireo zava-bita vaovao. Nambaran’ny Praiminisitra fa maro ireo fanamby miandry antsika raha tiana hapetraka sy haverina indray ny lazan’izany haino aman-jerim-panjakana izany, ary efa ezaka goavana ny fanavaozana natao mba hifanaraka amin’ny vaninandro ankehitriny ireo fitaovana ampiasaina. « Andrarezin’ny haino aman-jery eto amin’ny firenena ny TVM sy RNM ; mba hahatongavana amin’izany anefa dia mila fanovàna ny fomba fisainana, mila atao mby an-tsaina lalandava fa ny fananam-panjakana dia fananam-bahoaka », hoy hatrany izy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT