Actualités

Haino aman-jerim-panjakana Miantso fitantanana mangarahara ny mpiasa


  • Talata 24 Novambra 2020

Tsy mangarahara ny fitantana eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny sersera sy ny ORTM,



 na ny Ofisin’ny Radio sy ny Televiziona eto Madagasikara, izay mpiahy ny Radio Madagasikara (RNM) sy ny Televiziona Malagasy (TVM) ary ny fitaleavan’ny fotodrafitrasa teknika amin’ny haino aman-jerim-panjakana (DIT), hoy ny fampitam- baovao avy amin’ny mpiasa. Nandritra ny fitantanana nifandimby, nangaraharaha hatrany ny tatitra sy ny fanaovana peta-drindrina ny vola miditra sy mivoaka isam-bolana nataon’ireo mpitantana kanefa tsy misy intsony izany, hoy ny fanamarihana. Nofoanana ny Filankevi-pitantanana, na ny CA eo anivon’ny ORTM, nefa misy solontenan’ny mpiasa sy ny mpihaino ary ny mpijery ny radio sy ny televizionam-panjakana tao anivon’izany CA izany, hoy hatrany ny fanamarihana. Fiovana rafi-pitantanana (organigramme) no nahatonga ny fandravana ny CA teo anivon’ny ORTM, izay ahian’ireo mpiasa ho natao mba hahafahan’ireo mpitantana ao amin’ny ministera sy ny ao amin’ity ofisy ity mandidy dia homana satria tsy voatery hahazo ny fankatoavan’ny CA intsony ny fanapahan-kevitra raisina. Mahatsiaro ho mijaly anefa ireo mpiasa ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny asany : fiara iray ihany no hany ampiasain’ny mpiasan’ny RNM sy ny TVM eo amin’ny fanatanterahana ny asa, hany ka sahirana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny maha-haino aman-jerim-panjakana, na haino aman-jerim-bahoaka azy, hoy ny fitarainana. Araka ny voalazan’ireo mpiasa nampita vaovao, mbola misy ireo olana samy hafa ao anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny ORTM, ary milaza ny mbola hamoaka izany izy ireo. Nomarihin’izy ireo anefa, fa mba hijerena ny tombotsoa iraisana no angatahina fa tsy sanatria finiavana hamoaka ny lamba maloto eo anivon’ny fiadidiana ny haino aman-jerim-panjakana sanatria.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT