Trano iray no nirehitra tetsy Ankadindramamy omaly alarobia 20 jolay 2016, tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany maraina. Raha ny fanazavana azo dia vokatry ny fiakaran’ny herinaratra no nahatonga ity tranga ity.
Miaka-midina ny herin’ny jiro ety aminay ka mety ho izay no nahatonga ny firehetana tao amin’ity trano ity, hoy ny mponina. Mbola nanamafy izany ihany koa ny tompon-trano. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy fa vehivavy iray no may. Mafimafy ihany ny fahavoazany fa ny tarehiny sy ny tanany no tena voa mafy. Tonga ara-potoana ihany ny mpamonjy voina raha ny filazan’ny mponina. Ireo mponina manodidina ihany koa dia tsy nikely soroka nifanampy tamin’ny famonoana ny afo saingy olana ny tosiky ny rano ka 30 minitra teo ho eo ny famonoana sy ny fifehezana ny afo tsy hiitatra. Na voafehy aza ny afo dia tafakatra 90% ny fahapotehana tamin’izao voina izao, raha ny fitantara sy ny fitarainan’ny niharam-boina. Amin’ny fotoana toy izao no ilana ireny tompon’andraikitra miseho azy ho mitsinjo vahoaka ireny saingy mbola lavidavitra ny fotoam-pifidianana hanambatambazana ny mpifidy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.