Actualités

Hain-trano teny Ambatoroka Vehivavy mpianaka namoy ny ainy, fiara iray may niaraka tamin’ny entana


  • Zoma 02 Aogositra 2013

Nampihoron-koditra !

Nitrangana hain-trano mahatsiravina teny Ambatoroka amin’ilay fidinam-be avy any amin’ny “Villa Berlin” mahazo an’Andohan’i Mandroseza iny ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy, misasakalina. Trano misy rihana miorina amoron-dalana no nirehitra. Avy aty ambany ny afo, saingy tsy mbola tena voafarita mavaza ny fiaviany. Tao anatin’ny torimaso rahateo ny rehetra tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Efa afo niredareda no nanaitra tampoka ny tao ambany rihana, izay samy nikoropaka nanavotra aina nivoaka ny trano. Nisy vehivavy roa, mpianaka, 41 taona sy 10 taona, izay vahiny sendra mandalo anefa natory tao ambony rihana, ary tavela nogejain’ny afo tao ka dia may kila. Tsy nisy avotra ny entana tao anaty trano fa may kila forehitra, niaraka tamin’ny fiara iray tao anaty garazy. Nifarimbona namono ny Fokonolona fa tsy afa-nanoatra teo anoloan’ny herin’ny afo. Ora roa taorian’ny firehetana ihany koa no voalaza fa nahatongavan’ny ekipa mpamono afon’ny Kaominina. Na izany aza dia efa tamin’ny 4 ora maraina tany vao voafehy tanteraka ny afo.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT