Hain-trano tao Anjoma Toamasina

> Ifanotofan’ireo kandida depiote


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Ny lamba teny an-koditra sy ireo fitaovana nentina niasa sisa niangana ny an’ireto fianakaviana telo may trano tao Anjoma CMM ny alatsinainy maraina teo.

May tao anatin’ny 30 minitra ireo fananana nohariana an-taonany maro. Miisa 25 eo ny traboina vokatr’ity hain-trano ity. Fatana nahandroana zavatra navela tao an-trano ny maraina no nahatonga ny loza. Ny fiara mpamonjy voinan’ny seranan-tsambo no nanavotra ny Fokontanin’Anjoma CMM, satria raha nantsoin’ny mponina sy ny filoham-pokontany ny fiara mpamonjy voinan’ny Kaominina, dia tsy misy olona mamaly mihitsy. Ho fanampiana ireo traboina 25 dia nifanampy ara-bola sy ara-pitaovana ny Fokontany. Omaly ihany koa dia nanatitra fanampiana nahitana fitaovan-dakozia sy vary ary fitafy maromaro ho azy ireo ny fikambanana Malagasy Miray sy Mifankatia (MAMIMI) tarihan’Atoa Andrianiarifera Malalaniaina izay kandida depiote ao Toamasina I. “Vonjy rano vaky no natao izao, fa mbola ho avy ny fikambanana hanampy amin’ny fanarenana ny fonenany”, hoy ny filohan’ny MAMIMI. Nitondra anjarany koa ny FIMAMI na Fikambanana Malagasy Mijoro tarihan’ny kandida depiote Dr Benessy Harison. Nanatitra ny fanampiany ny mpiara-belona aminy koa ny fikambanana VITAL Fampandrosoana notarihan’Atoa Antonio Mananjara.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT