Actualités

Hain-trano mampiahiahy 37 no maty, tafahitsoka tao anaty trano


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Lanonana fitokanan-trano no novonjena, faty olona nikararana no nitranga tao amin’ity fianakaviana iray tany akaikin'Ambatolava, fokontany Imandro,

R34;

7km miala ny renivohitry ny Kaominina Mangidy, Distrikan’ Ikalamavony ny sabotsy 23 jolay manodidina ny tamin’ny fito ora hariva. Olona niisa 37 no indray namoy ny ainy, 4 maratra mafy, 2 avotra. Nisy fety fitokanana trano vaovao tao amin’ny toerana, sahabo ho 15 minitra an-tongotra miala an’Ambatolava io andro io. Niainga tao ambany rihana ny afo, tamin’ny fomba tsy mbola voafaritra mazava. Sempotra tafahitsoka tany ambony rihina avokoa ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy nisy zaza amam-behivavy, nanampy trotraka ny galeoka. Sarotra ny famonjena, hany ka may nogiazan’ny afo tao avokoa izy ireo. Misy valo mianaka anaty fianakaviana iray, indray namoy ny ainy. Kely tsy ahafaha-mitsoaka ny varavarankely any ambanivohitra, noho ny tahotry ny asan-dahalo, na io hiarovana amin’ny tifitra na tora-bato ataon'ny dahalo rehefa raikitra ny ady, ka izay no vao mainka nanampy trotraka ny loza. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary any an-toerana hamantarana ny tena fototry ny loza. Tonga nijery ny zava-misy sady nanampy sy nankahery ireo fianakavian’ny niharam-boina omaly ny manampahefana tany an-toerana, nahitana ny avy ao amin’ny faritra, distrika ary kaominina. Efa tonga nanadihady ihany koa ny mpitandro ny filaminana nahitana polisy, zandary ary miaramila. Ny talata ho avy izao no fantatra fa ho tonga any an-toerana ny delegasionina avy amin’ny fitondrana foibe. Ny Kaominina Mangidy no vavahady idirana raha mihazo an'Ikalamavony, ary tao amin’ity fokontany Imandro ity nitrangan’ny loza ity no nipoiran’i ‎Jean Ralaimongo, tao izy no teraka.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT