Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao Bekapaiky ny sabotsy 22 martsa lasa teo. Zaza telo mianadahy no maty may kila forehitry ny afo.
Araka ny fanazavana dia afom-patana tao an-trano ihany no nitatra, nefa raha vao nahita ny afo nijoalajoala ny renin’ireto zaza ireto dia taitra ka lasa nitsoaka. Ny zanany anefa tavela tao an-trano tamin’io ka may kila forehitra tao. Voalaza fa tsy tao an-toerana ny raim-pianakaviana tamin’ny fotoana nisian’ny hain-trano.
Fananana nihariana an-taonany maro rava sy rotika ary zanaka maty novantanin-drangahy, ka torana izy raha vao naheno ny vaovao ratsy. Patsa iray tsy omby vava. Mila mitandrina foana amin’izao vanim-potoana mafana mahabe rivotra mitsoka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.