Nahena ny karaman’ny miaramila noho ny fahazoan’izy ireo akanjo sy kiraro vaovao. Izany hoe nesorina amin’ny vata-karamany ny vidin’ireo fitafy sy kiraro izay raha tsiahivina dia fanomezana avy amin’i Andry Rajoelina mba hanatsarana ny Tafika. Nandeha izany feo izany teo anivon’ny foloalindahy ary tsy ela dia niparitaka teny anivon’ny miaramila marobe isan-toby. Efa saika raikitra mihitsy aza ny fihetsiketsehana raha tsy nalaky niditra an-tsehatra ny lehibe. Nisesy ny fivoriana hatramin’ny zoma lasa teo ary efa nampiaka-peo ny miaramila. Novonoina faran’izay haingana ny afo tamin’ny filazana fa fanakorontanana ny Foloalindahy fotsiny ihany ny zava-nisy. Tsy vidina izany fa fanomezana ireo fitafiana sy akanjo nomena ny miaramila. Raha ny fantatra dia lehiben’ny toby dimy karazana no niditra an-tsehatra nihaona tamin’ny lehiben’ny Tafika mba hahafantarana izay tena marina. Nivoaka avy tamin’izany, taorian’ny dinidinika, fa tsaho no niely. Nilamina ihany ny raharaha. Na izany aza dia marika ihany ny toy izao fa mora mikorontana ny Foloalindahy raha vao misy tsy mazava amin’izy ireo…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.