Actualités

Hafari Malagasy Nisantatra ny birao vaovaony etsy 67 ha omaly


  • Talata 12 Febroary 2013

Nahazo valim-bavaka izahay, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny HAFARI Malagasy, manoloana ny antsojay mianjady aminay noho ny asa fiarovana ny zon’ny olombelona imasoana eto amin’ity firenena ity.

 Henon’ny Malagasy iray mila ravinahitra any am-pitandranomasina ny antso natao, hoy izy, ka tsy nisalasala izy nanolotra ho an’ny HAFARI Trano iray manontolo misy rihina etsy amin’ny Cité 67 ha Atsimo. Hampiasain’ity firohotana ity maimaimpoana izany trano izany mba hananany fahaleovantena eo amin’ny asa fiarovana ny vahoaka mitaraina aminy. Ny sabotsy lasa eto ireo mpikambana ao amin’ny birao mpiandraikitra ny Hafari no tonga teny an-toerana nanadio ity trano ity ary omaly alatsinainy izy ireo dia efa nampiasa tamin-karavoana ity birao vaovao ity ary niala tanteraka teny amin’ny biraon’ny Fokontanin’Anosizato Atsinanana. Araka ny tazana teny an-toerana dia efa olona maro sahady no tonga nanatona ny HAFARI teny amin’ity birao vaovaon-dry zareo ity omaly alatsinainy. Marihina fa fepetra tokana no hany mba napetraky ny tompon’ny trano dia ny tsy hampiasana ny tranony amina raharaha ara-politika mihitsy. 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT