Actualités

HAFARI Malagasy Namoaka mpianatra mahay miteny anglisy an-jatony, nanolotra fanomezana ho an’ny zokiolona


  • Talata 17 Mey 2016

Anisan’ny fikambanana iray tsy sasatry ny mijery ny sosialim-bahoaka eto amintsika ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tsy mijanona ho an’Antananarivo irery izy io fa tonga hatrany amin’ny faritra mihitsy. Mpianatra an-jatony nianatra teny anglisy am-bolana maro tao aminy indray no navoakany ny sabotsy teo. Mbola notolorany fanampiana ihany koa ireo zokiolona noho ny fahatongavan’ny fetin’ny pentekosta.

 


 

MPIANATRA MIISA 200

Mpianatra miisa 200 no indray navoakan’ny fikambanana HAFARI Malagasy sy ny American Club F.M.O.S teny amin’ny CDA Andohatapenaka ny sabotsy teo. Mpianatra nianatra teny anglisy nandritra ny enim-bolana izy ireo, tsy mandoa saram-pianarana fa fandraisan’anjara 3.500 Ar isam-bolana no naloany hahafahan’izy ireo miatrika ny hoavy amin’ny lafiny arak’asa avy hatrany  na koa manampy amin’ny fianarana ho an’ireo mbola mianatra. Ny 150 isa amin’izy ireo no notolorana diplaoma rehefa nahafehy tsara ny teny anglisy, ny 30 isa kosa mpampianatra ary nomena mari-pankasitrahana 20 isa izay marihina fa efa nahita asa avokoa vokatry ny fahaizany izay teny anglisy izay, hoy i profesora Rakotomalala Liva Manitra. Anisan’ny nanohana akaiky azy ireo tamin’ny fikarakarana ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy izay nanolotra ny trano hianarany isan’andro etsy Anosizato Atsinanana sy 67 ha ary mbola hanome hatrany. Toraka izany ihany koa ny fitadiavana asa avy hatrany ho an’ny mpianatra toy ny fidirana any amin’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena. Fitiavana tsy misy takalony izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary tsy izao hita maso izao ihany no hananana fanantenana fa tsy maintsy mbola hamoha ny voan’ireo hazo nambolena  ary hijinja izany isika rehetra izao any aoriana. Tsy misy zavatra vita am-bava fa tsy maintsy miasa. Anisany izao fivoahan’ireto mpianatra 200 isa ireto izao izay  sampana iray ao anatin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Tsy hitadiavako tombony ho ahy manokana ny fanaovako izany na hamelomako ny vady aman-janako fa hitsinjovana sahady ireo tanora  izay hoavin’ny firenena  hahafahan’izy ireo mandray andraikitra ihany koa.

 

MPITARIKA MPIZAHATANY

Vokatr’izay ezaky ny fikambanana HAFARI Malagasy tamin’ny fanavotana ireo tanora marobe eto amintsika izay dia tafatsangana ara-panjakana  ihany koa ny fikambanana “Hopes Tour Madagascar International Travel”, hivondronan’ireo mpitarika mpizahatany eto amintsika.  Anisan’ireo efa  mpikambana ao ireo mpianatra navoaka ireo, indrindra fa ireo hiasa amin’ity sehatra iray ity. Hiarahan’ny fikambanana HAFARI  amin’ny American Club F.M.O.S  izy io izay nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina manokana ny sabotsy teo  noho ny faherintaonan’ny fiaraha-miasan’izy ireo. Andiany fahasivy teo amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireto mpianatra navoaka ireto. Nisy moa ny hafatrafatra  nomen’ny filohan’ny HAFARI  ireo mpianatra ireo, dia ny tokony  hahaizany miara-miaina sy mifandefitra, indrindra tsy hifanenjika fa hifanampy  hisian’ny fiarahamonina vanona.

 

TSY DISO ANJARA

Tsy diso anjara tamin’izany ireo zokiolona mihoatra ny 60 taona miisa 200 amin’ireo 4.000 mpikambana ao amin’ny HAFARI eto Analamanga izay  notolorany vary sy hena ihany koa hahafahan’izy ireo mifety toy ny olon-drehetra, indrindra fa ireo tsy manana zanaka sy zafikely. Noho ny fahatongavan’ny fetin’ny pentekosta no antony izay fitiavana tsy mila tambiny raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nisantarana ny fotoana narahin’ny fifamelan-keloka teo amin’ny samy mpikambana mba hahitan’ny tsirairay ny anjara masoandrony.  Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy misy mandray vola fisotroan-dronono izy ireo. Misy aza ireo efa 70 taona mbola miasa mantsaka rano ihany satria mafy ny noana. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny toerana misy azy ireo ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy, indrindra ny hampidirana ny fitsinjovana ny zokiolona ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka  kara-maitso. Ny mahavariana  anefa dia misy amin’ireo olona  sasany efa tsara toerana mandray vola fisotroan-drono miaina tsara  mbola midongy sy migrevy ihany. Misy anefa tena mijaly sy mahantra lavitra. Mbola nitohy omaly teny Soaniedanana ny lanonana, fitsangantsanganana izay niarahan’ny  mpikambana no sady nitondrana am-bavaka ilay tetikasa  fifindra-monina ihany koa mialoha ny hiatrehana ireo tetikasa  goavambe hotanterahina eny an-toerana. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy mpanao politika ny tenany ary  tsy mitady toerana fa amin’ny maha fiarahamonim-pirenena azy  no hiantsoany ny rehetra satria efa tena tsy rariny loatra ny mahazo ireo zokiolona Malagasy. Ny laharam-pinday 033 17 743 98 no hahafahana mifandray amin’ny fikambanana HAFARI Malagasy.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT