Lasa any anatin’ireo asa mafy sy ny asa mampijaly sisa ny ankabeazan’ny Malagasy eto an-tanindrazany ankehitriny raha ny fijerinay Hafari Malagasy azy, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Nirina.
Ankoatra ireny nahazo ny orinasa malagasy La Gastronomie Pizza tany Maorisy ireny sy ny mpiasa malagasy maro maty tany ivelany tany toy izay vao tonga avy any Arabia Saodita farany teo, dia maro ny tsindry hazo lena mahazo ny Malagasy nefa nahoana ny fanjakana no tsy miteny ? Eto amintsika anefa dia manjakazaka manampatra fahefana ny vahiny sasany. Be ny Malagasy no tsy mahatsiaro tena fa misy ny harena tsy hita noanoa eto amin’ity tanintsika ity indrindra ny tany, rano, rivotra ary ny masoandro.
Paradisa eto Madagasikara raha azo lazaina izany, hoy ity filohan’ny Hafari ity, fa manana ny ilaina rehetra ny vahoaka indrindra raha samy manjifa ny vokatra Malagasy, saingy matin’ny rendrarendra isika. Dia azo antoka fa tsy hisy hividy indray izao ny arendrina mampidi-bola ho an’ny Malagasy kely amin’ny fetin’ny 26 jona fa ny vokatra sinoa no hifandrombahan’ny ankizy. Mandrisika sy manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny Hafari Malagasy, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, mba hampiasa ny harentsika, hampitodika ny olona hiverina eny ambanivolo na “Exode urbain”. Hampahafantatra bebe kokoa ny rehetra mikasika an’ity resaka farany ity eo Anosizato ny HAFARI rahampitso alakamisy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.