Actualités

Hafari malagasy “Hisintaka amina toerana tsy misy mpanelingelina aloha izahay”


  • Zoma 25 Novambra 2022

Taorian’ny resaka fanamboarana ny kianjan’Anosizato dia miroso hatrany amin’ny asa fitarihana ny fikambanana Hafari malagasy, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Hitodika kokoa anaty fambolena, indrindra, fiompiana izahay anatin’izany, hoy izy. Fambolena voanjo sy katsaka no tanjona. Ezahana ny hiala amin’ny resaka boriboritany fahahefatra sy Ankazobe fa hanao izany any amin’ny faritra Arivonimamo sy Analavory. Efa fantatra ny fifanenjehana sy fifampihantsiana lava. Ireo fitaovana nentinay nanamboarana ny kianjan’Anosizato no ho entinay miaraka amin’ireo tanora ary tena tanora no ho entinay mandray anjara betsaka amin’izany fambolena izany. Voanjo satria iarahantsika mahalala ny fiakatry ny vidina menaka avy any ivelany. Ny mena-boanjo eto Madagasikara anefa dia tena mandray andraikitra lehibe anaty fahasalamana. Azo omena ny biby fiompy ny faikany. Ny katsaka indray sady azo hanina no afaka omena ireo biby fiompy. Tanjona, noho izany, ny hananganana asa anaty fotoana fohy eo amin’ny resaka fiompiana sy fihariana mahakasika ny menaka. Manomboka rahampitso (TTF: anio) dia hiditra amin’izay izahay ary ny ankoatrany moa dia ny fambolen-kazo fihinam-boa marobe fiarovana ny tontolo iainana satria miha ritra ny loharano. Ialana amin’ny mpamosavy sy mpanelingelina dia hisintaka amina toerana lavitra tsy misy mpanelingelina aloha izahay hahazoana vokatra. Atahorana aoriana kely ao io resaka sakafo io. Tsy afaka hiala amin’ny boriboritany fahahefatra aho nefa satria teto no nahalatsahan’ny tavoniko. Mazava tsara ny resaka taratasy any ary tsy ho alainay ho anay ireo tany fa ireo mpamboly no ezahana hitondrana tekinisianina sy masomboly hampitana fomba amam-panao dia hivadika fandresena ilay izy avy eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT