Hafari Malagasy

> Tadiavina hampidirina am-ponja ireo mpitarika ?


  • Alakamisy 10 Oktobra 2013


Rehefa nalaina am-bavany tao amin’ny zandarimariam-pirenena ny andron’ny alarobia 9 oktobra noho ny fiampangana nataona mpanankarena iray ho nanalabaraka azy tany amin’ny haino aman-jery samihafa, dia mbola tavela any Miarinarivo Itasy hatramin’ny ora ivoahan’ity gazety ity ny filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ny filoham-boninahitra, Rtoa Sendra Ranaivo, fa hoe mbola hihaona amin’ny “procureur” ao an-toerana amin’ity alakamisy 10 oktobra ity. Raha ny marina, hoy Atoa Jean Nirina dia itadiavana irika mihitsy ny hampidirana am-ponja anay. Raha tsiahivina ny zava-niseho dia saika nitrangan-java-doza tahaka ny niseho tany Nosy-Be ny tany Miarinarivo Itasy tamin’ny alatsinainy 7 oktobra teo noho ny hatezeran’ny vahoaka vokatry ny fiantsoan’ny zandary olona 5 avy amin’ny Fokonolona taorian’ny fitoriana nataona mpanankarena azy ireo ho mpandoro tanety ka tokony higadra. Raha ny marina anefa, hoy ny Hafari Malagasy, dia tetika handroahana ireo mponina amin’ny tany mirefy 274 ha izay iadian’ilay mpanankarena amin’izy ireo ity. Efa fiaraha-nidinika nifanaovan’ny Hafari Malagasy tamin’ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fitsarana ary ny Distrika namahana ny olana nefa izao mbola nantsoina nalaina am-bavany izao ireo Fokonolona sy ny mpitarika ny Hafari Malagasy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT