Actualités

HAFARI Malagasy 4.000 mahery ny fitarainana voarainy


  • Alakamisy 14 Febroary 2013

Herintaona katroka izao no tena niasan’ny fikambanana Hafari Malagasy teo amin’ny sehatry ny sosialim-bahoaka na dia efa tamin’ny taona 2009 aza no nijoroany.

 Araka ny fanazavan’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina dia maherin’ny 4.000 isa ireo fitarainana voarainy nandritra izany ka ny resaka ady tany no betsaka indrindra. Ankoatra an’Antananarivo sy Toamasina izay misy ny fikambanana dia ahitana izany ihany koa ny ao Fianarantsoa raha hotokanana amim-pomba ofisialy amin’io herinandro ambony io ny ao Mahajanga. Tsy mandray karama fa miasa an-tsitrapo avokoa ireo mpiasa ao amin’ny fikambanana. Miisa 83 mianadahy izany ho an’ny eto Antananarivo izay marihina fa efa nifindra toerana eny amin’ny 67ha Atsimo Logement 2614, avy amina olona tsara sitrapo monina any am-pitandranomasina. Hatramin’ny alatsinainy teo izay nifindran’ny fikambanana eny an-toerana dia miisa 123 ireo fitarainana voarain’ny Hafari Malagasy araka ny fanazavan’ny filohany ihany. Mandray ny olana ara-tsosialy avy amin’ny olon-drehetra izy ireo ary 1.000 Ar ny fandraisana anjara ho an’ny sarambabem-bahoaka.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT