Nitondra filazana sy fanazavana mahakasika ny hafanana mihoampampana any amin’ny Faritra Androy,
Atsimo Andrefana, Menabe, ary Sofia ny Sampan-draharaha misahana ny famantarana ny mety ho toetry ny andro. Noho ny fisiana “Anticyclone” na karazana korontana any amin’ny tsy taka-maso any dia maina ny atmosifera. Mahazo vahana araka izany ny fiakaran’ny maripana amin’ny faritra maro eto Madagasikara ary sarotsarotra ny hiavian’ny orana fa ny masoandro no hibahan-toerana. Vokatr’izany, 𝐡𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐡𝐨𝐚-𝐩𝐚𝐩𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 Androy, Atsimo Andrefana, Menabe, ary Sofia amin’𝐢𝐭𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐢𝐭𝐲. Ny any Bezaha (Atsimo Andrefana) dia mety hahatratra hatramin’ny 41.6° C ny maripana, mananika hatramin’ny 40°C ny any Ampanihy (Atsimo Andrefana) ary 39.2°C ny any Ambato-Boeni (Boeny). Hisy fiantraikany amin’ny resaka fahasalamana ny hafanana mihoa-papana raha tsy mitandrina ny tsirairay. Manoloana izany, àry dia iangaviana indrindra ny mponina amin’ireo Faritra voatonona ireo mba hitandrina ka 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨, 𝐡𝐢𝐬𝐨𝐭𝐫𝐨 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚, 𝐡𝐢𝐬𝐚𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐤𝐚𝐧𝐣𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐟𝐢𝐧𝐢𝐟𝐲, 𝐡𝐢𝐚𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐞𝐟𝐨, ary 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐛𝐨 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚, hoy ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro ENCADRE Manoloana ny haintany any Atsimo, naneho ny Depiote Marco Tsaradia voafidy tany Ampanihy, fa tokony hampidirina ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny fandatsahana orana voatr’olombelona in-telo na in’efatra isan-taona any amin’ny Faritra Atsimo mba ahafahan’ny mponina mamokatra. Ny fitarihana rano kosa no vahaolana maharitra satria misy renirano, tahaka an’i Onilahy any. Antony nampahery vaika tamin’ity ny tsy fisiana orana mihitsy, raha toa ka nisy orana 3 na 4 teo tany, hoy io olom-boafidy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.