Mbola ho ambony ny maripana any amin’iny faritra atsimon’ny nosy ao anatin’ny 3 andro ho avy,
raha ny vinavina avy amin’ny sampana mpamantatra toetry ny andro eto Madagasikara. Hanodidina ny 38˚C hatrany izany. Tsy hisy fiovana loatra kosa ny maripana ho an’ireo faritra hafa. Ny tsikaritra aloha hatreto anefa dia saika miantona ihany koa ny orana ho an’ny eto afovoan-tany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.