Hafahafa

> Vola be 232 miliara Ariary nanjavona teny amin’ny RN2 ?


  • Talata 01 Oktobra 2013

Miely ao Toamasina ny vaovao nilaza fa nisy fiara nitondra vola be mitentina 232 miliara Ariary nanjavona teny an-dalana raha hiazo an’Antananarivo.

“Raharaha tena henjana tsy hay hidirana izany”, “Aoka angamba aloha ho amin’izao fa tena hampidi-kizo ahy eto ny fanazavana ataoko”. Izay ny valin-tenin’ireo tompon’andraikitra nezahina nanontaniana momba ity raharaha ity. Tsy nisy ny nanda na nanaiky marina ny fisiany, hany ka sarotra ho an’ny mpanao gazety no namantatra ny tena zava-nisy marina. Ny hany fantatra dia maro amin’ireo mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo no nahita kaontenera anankiroa navoaka tao, izay tsara ambin’ny mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana “manara-penitra”, ny alatsinainy 23 septambra. Raha ny filazan’ireo mpiasa dia kaontenera misy vola no atao tsara ambina toy izao. Raha ny fanao dia ampidirina ao amin’ny Banky foibe ao Toamasina aloha, mialoha ny nampidirana azy anatina fiara tsy laitram-bala hitondra azy hiakatra aty Antananarivo, arahina mpitandro ny filaminana. Koa mila fanazavana matotra ny Malagasy tompon’ny vola na nisy na tsia izany, hisian’ny filaminan-tsaina ho an’ny mpiasa sy ireo manana petra-bola samy hafa eny amin’ny banky.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT