Araka ny loharanom-baovao samihafa azo dia misy amin’ireo olona sasany amin’ny tapany Atsimo Andrefan’ny nosy iny manararaotra ny firongatry ny asan-dahalo ka manao valifaty amin’ireo hafa manana lonilony aminy.
Ailika any amin’ny jiolahy na malaso ny rihitra rehetra avy eo. Nihoron-koditra ny mponin’i Bemarivo any Belo amoron’i Tsiribihina raha nahita fatim-behivavy iray niboridana sady efa tapa-doha nariana teny an-dalana, ny herinandro iny. Araka ny vaovao voaray dia naolana sy nendahina ity vehivavy ity talohan’ny namonoana azy ho faty tamin’ny fomba feno habibiana izao. Tsy fantatra mazava hatreto ny marina. Efa valifaty nomanina hatramin’ny ela ve izy ity sa asan-jiolahy tsotra izao ? Ny valin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ihany no hahafahana mahafantatra ny tena zava-nitranga marina mahakasika an’ity vono olona mahatsiravina ity.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.