Loza amin’atambo ! Novonoin'i Dieudonné ho faty, nokapakapainy tamin'ny antsibe i Gislaine vadiny, 28 taona. Nataony tao anaty sakaosy iray ary naleviny teo an-tokotanin’izy ireo ihany, tao Ambalamanasy “carreau” faha-03.
Tsy mbola niteraka izy roa ireto fa tokantrano vao niorina tamin'ny faran'ny taona 2013 lasa teo. Araka ny filazan’ny havan’ny maty dia efa iray volana sy tapany izay no tsy nahitan’izy ireo an’i Gislaine. Isaky ny manontany an'i Dieudonné, 35 taona, anefa izy ireo dia milaza hatrany ity farany fa nampidiriny niasa kilasimandry ny vadiny. Gaga anefa ny fianakaviany fa na andro alahady sy andro tsy fiasana aza tsy hitan’izy ireo i Gislaine. Rehefa noteren’ny fianakaviana i Dieudonné dia nibaboka ihany fa novonoiny ny vadiny. Vao nohadiana tokoa ny toerana nolazainy fa nandevenany azy dia tsy nisy 30 santimetatra akory dia nipoitra ny marina satria tao anaty sakaosy no nahitana ny fatin’ilay ramatoa tapatapaka. Efa tamin’ny volana febroary no namonoana sy ny nandevenana azy raha ny tombana. Maty niharan’ny fitsaram-bahoaka teo no ho eo ihany i Dieudonné. Fantatra fa efa faninefany namonoana olona ity lehilahy ity dia i Gislaine vadiny, ny zana-badiny teo aloha ary vadiny ihany koa ny roa voalohany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.