Actualités

Haba tangosana eny amin'ny seranana Ivato Fanararaotana tsotra izao


  • Talata 16 Jolay 2013

Taitra avokoa ny akamaroan'ny mpandeha hiondrana ho any ivelany raha miditra eo amin'ny fiaingana eny Ivato. "Tsy maintsy mandoa ilay haba «Redevance de Sureté Aéronautique ianareo". Mitentina manodidina ny 40.000 Ar isan'olona moa izy ity ary dia tsy mahazo mandeha raha tsy voaloa ity farany.

Dia gaga sy talanjona ny rehetra satria dia haba efa any anatin'ny tapakila izany, ary eto amintsika irery no misy an'izany raha tsy hijery afa-tsy ireo firenena manodidina vitsivitsy isika, dia i Afrika Atsimo, Nosy maorisy, La Réunion, eny hatrany Frantsa dia tsy misy an'izany.

Angaha dia mitady vola amin'ny fomba rehetra ity fitondrana ity ? Efa nanomboka hatrany amin'ny saram-pifandrasaina amin'ny finday, izay niakatra avo 3 heny, dia izao indray izany dia aty amin'ny zavatra hafa aty indray no isehoan'ny fanararaotana. Tiana ny manamarika fa zava-dehibe amin'ny fizahantanin'i Madagasikara izany fanalam-baraka ataon'ny fitondrana izany. Miditra any amin'ny kitapom-bolam-panjakana ve ny vola alaina tahaka ireny ? Raha jerena mntsy ny tetibolam-panjakana 2013 dia tsy hita taratra ao izany. Sao dia miasa talata ho an'ny sasany fotsiny eto !

 

Nangonin’i JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT