Actualités

Guy Rivo Randrianarisoa « Foana ve ny trafika rehefa tsy misy kodiarana ny valizy ? »


  • Talata 08 Martsa 2022

Tao amin’ny tambazotran-tserasera no nilazan’ny depiote sady minisitra teo aloha Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, fa efa roa taona izay no nangiana ka tsy niresaka momba ny politika eto amin'ny tanàna.

« Fa ity kosa zalahy tena mahalasa eritreritra ahy ary mampanontany tena ahy ka hametrahako ireto fanontaniana ireto ho anareo filoha, praiminisitra, minisitra rehetra nanapa-kevitra tao amin'io filankevitry ny minisitra tamin'ny 23 febroary 2022 io. Rehefa hesorina ve tompoko ilay kodiarana amin'ny valizy dia tsy hisy intsony izany ilay famoahana antsokosoko ireo harenantsika toy ny volamena ohatra? Fa maninona no tsy misy izany any amin'ny tany hafa kanefa dia mampiasa valizy misy kodiarana daholo ny mpandeha eran-tany? Fantatrareo ve fa ny "ordinateurs portables" sy ny batteries lithium » dia tsy azo alefa any amin'ny entam-be anaty "soute" fa tsy maintsy entina miakatra anaty « cabine » ary savaina tsara mihitsy rehefa mandalo fisavana, eran-tany io mialoha ny hiakarana anaty fiaramanidina. Ary ao anatin'ny fitsipika izay harahan'ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) izany satria izy mpikambana ao amin'ny OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale). Fahatelo sady farany, mino ve ianareo tao am-pivoriana tao fa ny fanarahana ireo fepetra nataonareo ireo tokoa no hanafoana tanteraka ny famoahana ireo harena ireo ? » hoy ity minisitra teo aloha ity. Tena ny “intelligence » ato amiko mihitsy no voadona ka mampanontany tena ahy hoe « Bac-» firy aho izany raha tena izay no marina hoy hatrany i Guy Rivo Randrianarisoa. Nampahatsiahy moa ny tenany fa nanatrika filankevitry ny minisitra ihany, ary tadidiko tsara, hoy izy, fa tena henjana sy avo lenta ny fanontaniana hapetraky ny Praiminisitra (io izy io mbola Praiminisitra io) tamin'izany rehefa dosie mandalo ka hiadiana hevitra ? Lohavehitra isan’ny niteraka adihevitra goavana tato ho ato io resaka fepetra nambara fa hisakanana ny trafikana harem-pirenena io. Fepetra sy fanapahan-kevitra zary lasa ataon’ny olona fihomehezana. Lasa mason-tsivana handrefesan’ny olona ny fahaizan’ny mpitondra sy ny manampahefana eto amin’ny tany sy ny firenena hoe : tena izao ve no fari-pahatakarana sy fari-pahalalana ? Atao mahagaga ve raha miha mikorosy fahana hatrany ny firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT