Actualités

Guide Prima baby Nivoaka omaly ny andiany fahafito


  • Zoma 03 Jona 2016

Betsaka ireo ray aman-dreny manana olana amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny zanany ankehitriny.

 

 Mba hanampiana azy ireny indrindra dia nivoaka tamim-pomba ofisialy omaly ny guide Prima Baby andiany fahafito, hiparitaka eny amin’ny toeram-pivarotam-boky sy tranombarotra lehibe tsy ho ela. Tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina no nampahafantarana izany,  notarihin-dRajaonah Haingo, angady nananana sy vy nahitana ny boky. Zavatra maro samihafa no mandrafitra ity boky  ity. Anisan’izany ny torohevitra maro  isan-karazany amin’ny fitaizana ny zaza,  ny adiresy mandrafitra ireo karazana creche hanampiana ireo reny miasa,  ireo  sekoly eto an-drenivohitra sy ny manodidina afaka handray mpianatra amin’ny taom-pianarana 2016-2017.  Rahampitso  sabotsy no hamidy  voalohany etsy amin’ny Tahala  Rarihasina Analakely ny boky amin’ny vidiny 2.000 Ar. Hotanterahina amin’io andro io ihany koa ilay hetsika Baby shopping hivarotana ireo karazana akanjo mafana sy kojakoja maro samihafa ho an’ny ankizy, izay natao amin’ny vidiny mirary tokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT