Tanterahina eny amin’ny hotely Carlton Anosy nanomboka ny alatsinainy 16 hatramin’ny alarobia 18 septambra 2013 ny fikaonan-doha sy fampirantiana iraisam-pirenena mikasika ny sampanasa tokana na «Guichet Unique» iarahan’ireo firenena miisa 36 ahitana mpandray anjara 97 ka mampiantrano izany isika eto Madagasikara.
«Fikarohana hatrany ny fanamoràna ireo fifanakalozana amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo fitaovam-piasana» no lohahevi-dehibe amin’ity andiany faha-3 dinihana mandritra ny telo andro ity eto Antananarivo. Homena lanja manokana mandritra ny hetsika ny fifampizarana traikefa amin’ny fikirakirana ity fomba fiasa vaovao ity, indrindra ny fifandraisana sy ireo fanatsarana ara-hairaha eo amin’ny tambajotra ara-pitaovana iraisam-pirenena. Azo ambara fa ambohipihaonan’ireo hery ara-toekarena mamelona ny firenena izy ity satria vory lanona ao daholo na ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny, na ny sehatra tsy miankina amin’ny ankapobeny na koa ireo mpitantsoroka ara-teknika sy ireo mpamatsy vola ihany koa. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia tanjona efatra no tiana hotratrarina mandritra ny hateloana dia ny fahalalana misimisy kokoa ny fomba fampiasana ny sampanasa tokana, fampisehoana amin’ireo seha-panjakana sy tsy miankina ny fomba amam-panao any amin’ireo firenen-kafa, fampiroboroboana ny fampiasana ireo hairaha ara-tserasera sy fampahalalam-baovao ho fanamorana sy ho fandaminana ny tontolon’ny fifanakalozana ary ny fizorana tsikelikely any amin’ny fifandraisana tsy ilana taratasy intsony mba hametrahana ny rafitra manaraka ny toetrandro. Mifarimbona amin’ny fikarakarana ity fihaonana sy seho miaraka ity moa ny Alliance Africaine pour le Commerce Electronique, ny Fadintseranana Malagasy ary ny GasyNet.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.