Mbola nahitana filaharana ireo toby fitsinjarana solika teto an-drenivohitra omaly na dia nihena aza raha oharina amin’ny zava-misy ny talata teo.
Misy amin’ireo tobin-tsolika sasany rahateo no nametra ho 10 litatra ny solika isaky ny fiara. Atao tompon-trano mihono tanteraka ny mpanjifa amin’ity raharaha iray mahakasika ny fiainan’ny mponina andavanandro ity satria na ny ministeran’ny solika na ny mpandraharaha ao amin’ny Groupement des Pétroliers de Madagascar dia samy tsy nisy nanome fanazavana momba ny olana amin’ny famatsiana niseho nandritra izay roa andro izay. Ny hany nambaran’ny minisitra Mamy Ratovomalala dia hoe ampy mandritra ny 70 andro ny tahiry amin’ireo fitehirizana solika eny Soanierana sy Alarobia.
Raha nantenaina hanome loharanom-baovao matotra kokoa ny Groupement des Pétroliers de Madagascar omaly dia tsy izany velively no niseho. Nisy ny fanambarana navoakan’ity vondrona mpandraharaha ahitana ny Jovenna, ny Shell, ny Total ary ny Galana ity izay nilaza fa tsy hisy ny krizy amin’ny famatsiana. “Tsy ampy ny solika teny anivon’ireo toby ka tsy afaka nanome fahafaham-po ny mpanjifa ireo toby ireo. Efa mandray andraikitra anefa ny mpaninjara sy ny Logistique Pétrolière mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana amin’ireny toby ireny. Ampy rahateo ny tahiry ka tsy tokony hanova ny fahazarany ny mpanjifa. tsy misy ahiana izany tsy fahampiana izany na ankehitriny na amin’ny ho avy”, hoy ny fanambarana navoakan’ny Groupement des Pétroliers de Madagascar omaly.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.