Niroso tamin’ny famelan-keloka sy ny fihavanana ireo tanora an’aliny avy any ambany tanŕna teo aloha nantsoina hoe «Gros bras» nivondrona tao anatin’ny Exopoles izay nanana finiavana nampitambatra azy, araka ny nambaran’izy ireo.
Raha tsiahivina dia anisan’ireo nanohintohina ny fandriampahalemana teto amin’ny firenena hatrizay izy ireo ka na izy samy izy ary dia nifandrafy mihitsy vokatry ny ataon’ireo mpanao politika sy mpanam-bola nanakarama azy ireo. Araka ny voalazan’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ny sabotsy 14 mey teo dia tokony haka tahaka azy ireo ho modely ireo mpanao politika. Ezaka lehibe mantsy no vitan’izy ireo tamin’izao dingana izao raha ny fihetsik’ireto «Gros bras» teo aloha ireto. Nohamafisin’Atoa Rasamizafy Cyril kosa fa «fifanatonana sy fifanekena hifanadino heloka samy tanora izay nantsoina hoe «Gros bras» ka nampiasaina hampitahotra ny mpiara-belona no natao. Niova ho “Mazavaloha” ny anaran’izy ireo manomboka androany (sabotsy). Tsy hifandrafy na hiady intsony izy ireo rehefa nokaramaina sy nampiadiana hatrizay, fa kosa hivondrona hanampy ny fitondrana, mba tsy hisian’ny tabataba eto amin’ny firenena intsony». Nisy ny fizarana ny nofon-kena nitam-pihavanana tamin’io andro io avy amin’ny famonoana omby teny an-toerana.
Efa iray volana teo no nanomanan’izy ireo ity hetsika ity mba hampisehoana amin’ireo mpanao politika fa afaka mivondrona sy mifampiresaka ny samy Malagasy, indrindra ireo tanora ambany tanàna ireo ho modelin’ireo mpanao politika tia tena, ka tsy mijery afa tsy ny tombontsoany, tsy misy manaiky mandefitra ary tsy afaka ny mifampiresaka. Ny tena nahatonga saina azy ireo ihany koa ny hoavin’ny zanany, izay tsy tian’izy ireo hanaraka ny diany. Eo ihany koa ireo naman’izy ireo izay mbola any am-ponja tsy fidiny hatramin’izao.
Nanomboka tamin’io andro io izany dia tsy tanora ambany tanàna intsony no iantsoana azy ireto fa “Mazavaloha”. Ny mpitarika ny FMF (Fokonolona Mizotra amin’ny Fandrosoana) am-perinasa ihany aloha hatreto no mpitarika ny Mazavaloha dia Atoa Raharinala Gilbert. Fikambanana politika miisa 117 nivondrona teo anivon’ny Exopoles no nangataka ny hanatanterahana izay fampihavanana izay ka izany indrindra no hanaingan’izy ireo ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fanjakana isan-tsokajiny, indrindra ireo izay misehatra ny fampihavanam-pirenena handray andraikitra fa tsy hianona amin’ny adihevitra sy ny fanapahan-kevitra tapaka ambony latabatra fotsiny. Araka ny fanampim-panazavana nomen’ireo mpikambana ihany dia tanora manodidina ny valo alina no nisoratra anarana tamin’ity hevitra lehibe ity. Fantatra ihany koa fa efa nisy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpitondra ka hitadiavana asa raikitra sy fidiram-bola ary mety hisy ny fampidirana azy ireo eny anivon’ny ministera mba hiandraikitra ny fiambenana (securité). «Satria efa nahena ihany ny karaman’ireo ministra 23 dia azo hanakaramana olona 10 avy ny tahiry azo, izany hoe tanora 230 no tokony hahita asa mivantana ety am-boalohany», hoy Atoa Rasamizafy Cyril. Afaka roa na telo volana dia hisy ny tatitra hatao amin’ny rehetra ny momba izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.