Actualités

Grevy eny amin’ny lapan’Anosikely Afaka miasa ihany ireo loholona saingy…


  • Zoma 09 Desambra 2022

Mivoatra ny toe-draharaha ao amin’ny Antenimierandoholona na mbola tsy voaloa aza ny karaman’ny mpiasa izay nitokona.

Raha ny loharanom-baovao azo antoka, nihaona tamin’ireo sendika ny Birao maharitra ny takarivan’ny talata 6 desambra 2022 lasa teo, niangavy sy nitalaho mba handeha ny fandaniana ny fandaharam-potoana na ny “Ordre du jour”. “Nikasa hanao an'io ry zareo saingy nomena ny toromarika hoe: ny mpiasa rehetra tsy misy mody fa mitokona ato amin’ny efitrano fivoriana 6 ora hariva, ka izay no voalaza fa antony niantsoana azy ireo hiresaka. Ny nifanarahana, rehefa naseho ny mpiasa ny taratasy hanaovana ny “aménagement interne” handoavana ny karamany volana novambra sy desambra ary ilay “prime” faran'ny taona, dia nanapa-kevitra ny sendika fa afaka mandinika ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana na PLFI 2023 ny loholona, saingy io ihany fa miandry avokoa ny ny fandaniana ireo volavolan-dalàna na “Projet de loi ordinaire” rehetra mandra-piandry io karama mitontona io”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpiasa. Izay no nampisy ny fandaniana ny fandaharam-potoana omaly maraina ary anio hariva ny fandaniana ny PLFI 2023. Hatramin’ny omaly hariva naharaisana ny fampitam-baovao dia voalaza fa tsy mbola voaloa ny karama novambra, saingy efa mandeha ny dingana, ka izay no nanoloranay io fanapahan-kevitra io, hoy ny Fama sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT