Actualités

Grevin’ny Paramed Mihetsika Antsirabe sy Morondava


  • Zoma 01 Jona 2012

Manatevina ny fitokonana ataon’ireo Paramed, manerana an’i Madagasikara ihany koa ny ao Antsirabe.

 Manoloana ny Biraon’ny Foibem-paritry ny fahasalamana no anaovan’izy ireo ny hetsika ka fantatra fa raha toa ka ny alatsinainy 21 mey no nanomboka ny teto Antananarivo dia ny alakamisy 24 mey kosa no nanomboka ny azy ry zareo tao Antsirabe. Nambaran’Atoa Ratovonjanahary Julien, mpitarika ny hetsika fa tsy hiato ity fitakiana ity raha tsy mivaly ny fangatahana ataon’izy ireo, saingy anio zoma kosa dia hiato kely izy ireo noho ny fivoriana izay hatao eto Antananarivo ka ho hita eo indray ny tohiny. Misy ihany moa ny miasa amin’izy ireo dia ireo tena manana andraikitra amin’ny alina ka manomboka amin’ny 06 ora hariva ka hatramin’ny 08 maraina ihany no miasa izy ireo. Toy izany koa ny fandraminana ao Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, izay 90%-n’ny Paramed no mitokona nanomboka ny 24 mey. Miandry ny toromariky ny Sendika nasionaly izy ireo vao hiverina miasa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT