Niditra an-tsehatra tamin’ny haino aman-jery ny fikambanan’ny dokotera tao SAVA.
Nazava ny tenin’ireo fa raha tsy havoaka ny fonja faran’izay haingana ny mpitsabo iray naman’ireo izay nomelohina tsy amin’antony dia hitohy ary hihamafy ny grevin’ny mpitsabo ao amin’ny faritra SAVA. Raha hiverenana dia nosamborina ary nogadraina ny mpitsabo iray tamin’ny herinandro lasa teo. Ny antony dia noho ny lozam-pifamoivoizana izay nihatra taminy na koa teo aminy sy ny manamboninahitra iray tao an-toerana. Namoy ny ainy ny zanak’io manamboninahitra io noho ilay lozam-pifamoivana izay tsipihina fa efa enim-bolana lasa izay no nitranga. Saingy izao dia navoaka tampoka ny dosie ary nampiharina ny fahefana izay niafara tamin’ny fisamborana sy fanagadrana ilay dokotera. Tezitra mafy ny naman’ireo ary tsy mitsahatra ny miditra amin’ny onjam-peo any amin’izay misy azy ireo avy mba ho fanentanana ny namany hanamafy ny tolona noho ny fanaparam-pahefana mihatra. Mitohy arak’izany ny grevin’ny mpitsabo ao SAVA. Mbola tantara mitohy iray hafa ihany koa...
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.