Grevin’ny mpianatra

> Tsy misy mpiraharaha


  • Alarobia 02 Oktobra 2013

Ataon’ny mpanao politika fitaovana ny resa-panabeazana. Samy mampanantena hametraka ny tontolon’ny fanabeazana sy ny mpanabe amin’ny sehatra sahaza azy avokoa ireo kandida filoham-pirenena ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao.

Tsy tahotra tsy henatra ny filazana hijery manokana ity sehatra ity izay ataon’ireo kandidam-panjakana. Ity fanjakana Fat ity anefa no tena nampijaly ny mpanabe ka nampikorontana taom-pianarana iray sy nahatapaka karama mpampianatra 80 mahery. Amin’izao indray dia mitokona ireo mpianatra eny Ankatso miaraka amin’ireo namany eny Vontovorona mitaky ny vatsim-pianarana 3 volana sy ny fampitaovana. Mbola io olana io koa no miseho any amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Nampanantena hamoaka ny vatsim-pianarana 2 volana mba hampitoniana ny fon’ny mpianatry ny politeknika Vontovorona ny Ministeran’ny fampianarana ambony. Tsy nanisy resaka io olana io koa ny filankevitry ny governemanta omaly izay midika fa tsy misy miraharaha ireo tanora Malagasy. Matoky ny Emmo-Reg handrava ny fitokonana sy hisambotra ireo mpianatra mitokona mihoa-pefy ny fanjakana. Omaly izao dia niampy efatra indray ny voasambotra, ary tonga hatrany an-tokotanin’ny oniversite, izay faritra saropady, mihitsy ny Emmo-Reg.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT