Omaly tamin’ny roa ora maraina tany no nanomboka nirehitra ny tranoheva tao amin’ny Grande Braderie tetsy Mahamasina. Vetivety dia nitatra ny afo, ka tafakatra 14 ireo tranoheva may (cosmétique sy akanjo ary taozavatra Malagasy no maro). Tsy fantatra ny anton’ny firehetana saingy nilaza ireo tompon’andraikitra fa misy fiantohana avokoa ireo tranoheva rehetra mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ny antoka amin’ny fandraisana anjara amin’ity hetsika ity mantsy ny fiantohana, hoy ireo mpikarakara. Tsy fantatra koa hatreto ny tentim-bidin’ny entana may fa eo am-panaovana ny kajikajy mikasika izany ireo niharam-boina. Anio dia hatao famotorana avokoa ireo mpandray anjara niharam-boina tamin’ity fahamaizana ity. Ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny polisy siantifika ary ny etsy Mahamasina no miandraikitra ny famotorana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.