Actualités

Grande Braderie 400 tapitrisa ariary ny fahamaizana


  • Talata 05 Aprily 2011


Manodidina ny 400 tapitrisa ariary ny tentim-bidin’ireo entana may nandritra ny loza nihatra tamin’ireo tranoheva 14 teny Mahamasina ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 2 ora. Omaly mantsy dia tonga nametraka ny fitarainan’izy ireo teny amin’ny polisy Mahamasina ireo tompon’ny entana may tamin’ireo tranoheva ireo. Nampanantsoin’ny polisy ihany koa omaly ny mpikarakara ity hetsika ity. Ny tompon’andraikitry ny herinaratra tamin’ity hetsika ity no fantatra fa tena nandrasan’ny maro ny fihainoana azy omaly.

Araka ny tsiliantsofina dia ahiana mafy ny isian’ny fahamaizana hafahafa tamin’ity zava-doza teny Mahamasina ity. Araka ny loharanom-baovao ihany dia ny polisy misahana ny heloka bevava no hanohy ny famotorana mikasika azy ity. Ny avy amin’ny mpikarakara moa dia mionona amin’ny filazana fa manana trano fiantohana miantoka ny entany avokoa ireny tranoheva ireny vao afaka mandray anjara amin’ny hetsika.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT