Actualités

Grand Maitre Pierre be Mistery tanteraka ny aminy, 31 taona aty aoriana


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2016

1 aogositra 1985- 1 aogositra 2016, 31 taona katroka lasa izay no nanafihan’ny tafi-panjakana tamin’ny basy aman-tafondro ny tobin’ny kung-fu tarihin’i Grand Maître Rakotoarijaona Pierre Mizael na Pierre Be araka ny nahafantaran’ny maro azy.

Notafihina, nanaovana latsak’alina ny toeram-ponenany teny Ambatomainty sy ny toerana fanaovana fanazarantena teny Behoririka fa hoe manohintohina ny filaminana anatiny sy mitady hanangana fanjakana kely ao anaty fanjakana. Fiampangana izay tsipahin’ny mpianany marindrano, toy izany koa ireo nandray ny fampianarana taminy hitia tanindrazana ary hitandro hatrany ny fihavanana. Tsy nekeny kosa anefa ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena ary ny fanararaotana ny madinika sy ny osa. Izay antony izay no voalazan’ireo mpianany fa nahatonga ny kung fu nijoro ka nifanehitra tamin’ireo mpangalatra, mpangarom-paosy, mpanao sinto-mahery sy mpaka ankeriny teto an-drenivohitra tamin’io vanim-potoana io. Ny 31 jolay hifoha ny 1 aogositra no nafotaka ny fifandonana, mpikatroka kung fu an-tanam-polo sy ny hazo an-daniny, nifampitana tamin’ny miaramila nombana fitaovam-piadiana mahery vaika. Nandriaka ny ra, niampatrapatra ny faty olona. Tsy nahafoana ny kung fu wisa anefa izany. Vao mainka aza miroborobo ary manana federasiona mihitsy, izay hikarakara hetsika lehibe etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ato ho ato. Mbola mijanona ho mistery kosa, 31 taona aty aoriana, ny amin’i Grand Maître Pierre Be. Ny fianakaviana koa moa tsy miresaka firy ny momba azy, ankoatra ny filazan'ny zanany lahy Maître Avoko Rakotoarijaona hoe : «Tsy maintsy hipoitra ny marina atsy ho atsy».

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT