Actualités

Governemanta Ny tonta ihany no avadibadika ?


  • Alarobia 02 Aprily 2014

Raha mbola ankamantatra izay mety ho praiminisitra dia efa misy kisarisary azo raisina kosa momba ny mety ho endriky ny governemanta.

 Araka ny fandinihan’ireo maharaka tsara ny vaovao politika dia governemanta tsy maintsy ahitana ireo ankolafy politika sokajiana fa goavana no hitsangana eo, izany hoe ny ankolafy nanasonia ny tondrozotra ary efa niara-nitantana ny tetezamita, dia ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana ary ireo vondrona politika hafa tahaka ny HPM, ny MDM… Hanampy azy ireo ny olona avy amin’ny HVM na ilay fikambanana natsangana maimaika mba hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana.

Azo antoka fa tsy ho diso anjara fa hahazo toerana ao anatin’ity governemanta ity koa ny ankolafy Zafy Albert. Heverin’ny maro kosa fa tsy mbola hiditra anatin’ny governemanta ny ankolafy Ratsiraka fa efa manana kajy hafa mihitsy dia ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka. Mpahay toekarena ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ka tsy atao mahagaga raha hahazo toerana anatin’ny governemanta ireo mpahay toekarena sy teknisianina. Tsy mbola nisy mihitsy aloha hatreto ny siosion-dresaka momba ny anarana minisitra, fa ny fantatra fotsiny dia efa samy manana lisitra ireo ankolafy politika tsirairay avy.

Ary raha ny lojika dia tafajoro haingana aorian’ny fanendrena ny praiminisitra ny governemanta satria efa manana ny heviny momba ireo olona hiara-kiasa aminy ny filoham-pirenena, no sady mahafantatra tsara fa tsy misy fifampiraharahana azo atao amin’ny avy any ivelany raha tsy misy governemanta mijoro ara-dalàna. Raha tsorina ny resaka dia ny olona no mety miova fa ireo ankolafy politika efa nahazatra tato anatin’ny 5 taona ihany no ho hita ao anatin’ny governemanta vaovao hijoro eo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT