Hasiam-panovana amin’ny ampahany ny Governementa. Izay indray izao no resaka mandeha telo volana aty aorian’ny nitsanganan’ny governemanta Mahafaly Olivier.
Na ity farany aza moa tany ampandraisana ny asany, dia efa nampiomana ny hanaovana tomban’ny asan’ny minisitra ao anatin’ny governemantany isaky ny telo volana, ka tsy hahagaga raha tonga amin’izay mety hikitihana amin’ny ampahany ny governemanta izay. Raha ny loharanom-baovao dia heverina ny hanendrena olona hisahana ny minisiteran’ny Atitany, andraikitra izay sahanin’i Solonandrasana Mahafaly Olivier hatreto ankoatra ny maha praiminisitra azy, nefa heverin’ny maro fa mavesatra loatra. Mbola ny loharanom-baovao ihany koa no ahenoana fa minisitera efatra izao no arahi-maso akaiky ny fiasany, anisany ny misahana ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy tantanin’i Maharante Jean de Dieu, izay mety hankinina amin’olon-kafa raha ny feo mandeha. Ny raharaha rongony nentina tamina fiara 4x4 niisa telo, saron’ny polisy tany Ihosy, ka nahavoatonontonona ny manodidina ny minisitra sy ny fifandroritana amin’ireo sendika, toy ny namoahan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy didim-pitondrana mandroaka tsy ho mpiasam-panjakana ny mpitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Dr Rakotomaharo Tsinjo no voalaza fa maharatsy toerana azy eo anivon’ny governemanta. Nivoaka ny 8 aprily 2016, tao anatin’ny fotoana nampisafotofoto ny fanendrena praiminisitra ity didim-pitondrana ity. Nahanton’ny Filankevi-panjakana ny herinandro lasa iny moa ny fampiharana azy io. Na ny mbola nanankinana amin’i Maharante Jean de Dieu an’io toeran’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, ao anatin’ny governemanta Mahafaly Olivier rahateo aza, efa nampihidy vazana ny ankamaroan’ny mpiasa ambony ao amin’io minisitera io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.