Actualités

Goragora ny fampiharana lalàna Feno eny an-tsena indray ny akanjo “vert armée”


  • Zoma 04 Martsa 2022

Miparitaka be eny an-tsena indray amin’izao ireny karazan’akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny na ny vert armée.

Tsy hanavahana intsony izany na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe fa saika hita eny an-tsena avokoa. Raha tsiahivina kely anefa dia nisy ny fanenjehana mpivarotra sy fisamborana ny olona nanao ireny akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny teo aloha. Nisy mihitsy ny fe-potoana nomen’ny fanjakana ireo olona voakasika ao anatin’izany izay tsiahivina fa tena nisy fanaraha-masobe sy fitetezana tsena mihitsy. Tsy re feo intsony indray anefa izany volana vitsy taty aoriana. Inona marina ary izany no tena tian’ireo tompon’andraikitra hahatongavana ? Sa handrakandramana avokoa ny zava-drehetra ? Raha tsiahivina anefa dia tsy hafarana ireny karazana fitafiana mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny fa vita eto amintsika ihany izany hoe : vita Malagasy. Tsy tokony ireo mpivarotra izay mitady tombony kely na ireo olona manao ilay fitafiana araka izany no henjehina fa ilay orinasa mamokatra sy manaparitaka izany mihitsy.
Pati
Legende : Bedy dia avy eo tsy bedy indray , goragora loatra ny fampiharana lalàna eto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT