Nitohy omaly indray ny fanambarana ara-diplaomatika nataon’ny Vondrona Eoropeanina momba ny toerana noraisin’i Madagasikara mikasika ny adin’i Ukraine sy Russie.
Nilaza ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina Giovanni Di Girolamo, fa nalalaka tamin’ny fanapahan-keviny i Madagasikara amin’ny maha tany manana fiandrianana. Nanamafy anefa io Diplaomaty io, fa kivy tamin’ny toerana noraisin’i Madagasikara, ary mbola mandresy lahatra eo anatrehan’ny maha zava-doza ny zava-misy amin’ny hafitsoky ny Rosianina, izay ilàna fanamelohana feno. Tsy hisy anefa ny fanerena na fepetra horaisina na nandiso fanantenana aza, fa mitohy fiaraha-miasa, hoy ny fomba firesaka ara-diplaomatika, kanefa tsapa ihany ny fisiana karazana tsindry ankolaka. Firenena 35 no tsy naneho hevitra. Manantena ny Vondrona Amerikanina fa mbola hiverina amin’ny heviny, tahaka ny nataony tamin’ny 2014 nanamelohana an’i Russie nandritra ny ady tany Crimée I Madagasikara. Momba ny fitakiana ireo Nosy manodidina, dia tsy tokony hampitoviana amin’ny fitakiana amin’ny ady any Ukraine satria ny ady misy vono olona, herisetra, fanitsakitsahana ny maha olona,... Ady araka ny lalàna, “domaine contentieux” kosa no misy eo amin’I France sy Madagasikara, hoy ny Vondrona Eoropeanina. Tsara moa no mampahatsiahy, fa isan’ny naneho hevitra mafonja momba ion y Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, fa tokony havela hiatrika ny olany sy ny fanarenana ny fireneny ny Malagasy fa tsy rebirebena amin’izay ady any Ukraine. Nampahatsiahy, fa tsy mba nisy firenen-dehibe nanampy sy nomba an’i Madagasikara tamin’ny fitakiana ireo Nosintsika, eny fa hatrany amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.