Actualités

Gilbert Raharizatovo Aretin’ny taovam-pisefoana no nahafaty azy


  • Zoma 26 Martsa 2021

Maloka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny famakafakana ara-politika. Lavo ny andrarezina

 

 

satria nindaosin’ny fahafatesana omaly teo amin’ny faha-73 taonany ny mpanao gazety Gilbert Raharizatovo. Tsy misy tsy mahalala azy angamba raha mbola olona mpanaraka raharaham-pirenena satria matetika no hahenoana ny feon’izany Gilbert Raharizatovo izany. “Bronchite chronique” na aretin’ny taovam-pisefoana efa naharitra no voalaza fa isan’ny nandavo azy. Efa Minisitry ny serasera tamin'ny tetezamita izy, mpanao gazety mpanao famakafakana politika, havanana amin'ny resaka "géopolitique" ary tena nahafehy ny tantara sy ny fizotry ny raharaham-pirenena teto Madagasikara. Niasa tao amin’ny Televiziona Malagasy fahiny, ankoatra ny vaovao ary nanana ilay fandaharana antsoina hoe “IMASO” izy nanasany mpanao politika sy mpitondra teto amin’ny firenena. Anisany fandaharana nisongadina tamin’izany ny nanasan’i Gilbert Raharizatovo ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 1996. Ara-politika, dia efa solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy teny Ambohimanarina Boriborintany fahaenina eto Antananarivo izy rehefa nirotsaka hofidiana tany amin’ny taona 1997-1998. Ny andrarezin’ny politika tamin’ny fotoan’androny dia ny Pasitera Richard Andriamanjato izay vao avy Filohan’ny Antenimieram-pirenena no nifaninana taminy, saingy resiny tamin’izany andro izany. Tsangam-baton’ny asa fanaovan-gazety, ary namela mamy, mipetraka ho filamatra hotarafin’ireo zandry zanaka aty aoriana I Gilbert Raharizatovo. Namela ny vadiny sy ny zanany vavy tokana izy izao lavo izao, ankoatra ny tontolon’ny fanaovan-gazety, ny mpanara-baovao, ny olom-pirenena,… izay mahatsiaro ho very olomanga eo anatrehan’ny fahalasany. Ny Fianakaviam-ben’ny fanoratana eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo tanteraka sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT