Actualités

Gidragidran’ny Karieran’Andilana Avaratra Voakorontan’ny lakrimozenina ny mpanala BEPC


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Raikitra indray ny sakoroka tany amin’ny Karieran’Andilana Avaratra any amin’ny Distrikan’Amparafaravola ny alatsinainy 19 jolay lasa teo.

Ity kariera ity, izay marihina fa misy vato lafo vidy « bérylium », ary efa matetika nisy fifandonana noho ny fanesorana ireo mpitrandraka. Ny 22 mey, dia niafara tamin’ny fahafatesan’olona rehefa niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana teo anatrehan’ny fitakian’ny mpitrandraka sy ny mponina. Nambara fa hisy ny fanadihadiana eo anatrehan’ny fisiana aina latsaka, saingy hatreto tsy fantatra ny tohiny, matimaty foana toy ny valala nosamborim-boaka. Taorian’ny sakoroka, nandeha ny dinika ahafaha-manokatra ny kariera ka nampanantenaina ny hanokafana ny kariera, ka ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fepetra, ary indrindra ny zo maha olona. Tsy fantatra mazava intsony izay fivorany momba io fisokafana io, saingy roa volana aty aoriana, dia mifoha io indray ny gidragidra. Nidina an-tsehatra nandroaka ireo mpitrandraka indray ny Mpitandro ny filaminana izay voalaza fa teo ambany fitarihan’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Nisy fisokafana indray izany, saingy sokajiana ho tsy ara-dalàna matoa raikitra ny fandroahana. Manodidina ny 200m raha be indrindra ny elanelan’ny sekoly sy ny kareira, ary tao anatin’ny fanatanterahana indrindra ny fanadinam-panjakana BEPC mihitsy no nirefodrefotra ny lakrimozenina izay manodidina ny 12 isa teo sy ny poa-basy tsy nifankahitana. Voakorontana noho izany ireo tanora niatrika ny fanadinam-panjakana. Mety tafiditra ao anatin’ny fampiharana lalàna ny fandroahana mpitrandraka fa moa tsy maintsy tamin’io fotoana io ve ? Sao dia mba efa tsy rariny intsony ?hoy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

EFA NAMOAKA 28 MILIARA ARIARY
Henjana ny zavatra iainan’ireo mpitrandraka satria midina any anaty lavaka 60 hatramin’ny 80m ary misy ny mety maty tototra any ankoatra ny sakoroka. Voalaza fa 28 000 000 000Ar ny valeran’ny harena efa nivoaka avy ao amin’ny Karieran’Andilana Avaratra, araka ny fanazavan’ny olom-boafidy iray. Saika efa mihaodihaody any hatrany ireo mpibizina amin’ny endriny samihafa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, toy ny vahiny Sri Lankais. Matoa mbola tonga amin’ny sakoroka tahaka izao, dia midika fa mbola tsy milamina ny lafiny maro, toy ny fepetra amin’ny fitrandrahana, ny tamberim-bidy sy ny vola miditra amin’ny toerana sy ny Fanjakana,… Mety mandeha ihany koa ny ketrika sy ny kajikajy avo lentan’ny manam-pahefana isam-baratongany noho ny fofom-bola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT