Raha ny zava-nitranga omaly no jerena dia tena nisy voka-dratsy tamin’ny resaka fiazahantany ny savorovoro nitarika famonoana sy fandorana olona velona tany Nosy be.
Isaky ny talata mantsy dia mpizahatany 50 ka hatramin’ny 200 no tonga amin’ny fiaramanidina any an-toerana. Omaly talata anefa dia tsy nisy tonga mihitsy fa ny nandao ity nosy ity no maro. Manamafy ihany koa ny orinasa amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany fa tena nihena hatrany amin’ny 30 ka hatramin’ny 40% ny famandrihan-toerana raha ny mankany Nosy be no resahana. Tsy atao mahagaga firy ny fandosiran’ny mpizahatany any an-toerana satria isan’andro dia mandeha amin’ny filazam-baovao any ivelany iny raharaha iny. Nanokartra fanadihadiana momba ny nahafatesan’ilay teratany Frantsay mantsy ny polisy Frantsay. Ny minisiteran’ny raharaham-bahininy dia efa niantso ireo teratany Frantsay any Nosy be mba ho mailo lalandava. Manimba ny « ambiance » ho an’ireo mpizahatany koa ny fisian’ireo mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana mivezivezy ao Nosy Be ao. Izany rehetra izany no mahatonga ny mpizahatany handositra ity nosy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.