Ny tsirairay no aro ho an’ny tenany hoy Gérard Ramamimampionona tompon’andraikitra eo anivon’ny
“Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy” amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika izao, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly. Lohalaharana amin’izany ny fanaovana aron-tava, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra ary ny fanasan-tanana aminny savony. Ankoatra izay anefa hoy izy dia tokony samy handray ny andraikiny ny rehetra toy ny sefom-pokontany, ny Ben’ny tanàna…. hatramin’ny Fitondram-panjakana hanao ny fanentanana. Na izany aza anefa hoy izy mialohan’ny hametahana ny aron-tava dia tokony hametraka ny aron’ny fo sy ny fanahy ny tsirairay ka tsy sanatria hanararaotra ny mpiara-belona. Fotoana fanehoana ny firaisankina sy ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy izao hoy hatrany izy ka mba tena ho maimaim-poana ny fanafody omena ny marary eny amin’ny hopitaly fa tsy mamay foana. Rehefa tsy mivaly amin’ny tena izao mantsy ny ratsy hatao tahaka izao hoy izy dia tsy maintsy mivaly amin’ny taranaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.