Actualités

Gérard Ramamimampionona “Misy fetra ny fahefana sy aina ka aleo maty mamela mamy”


  • Alarobia 31 Martsa 2021

Mbola miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny filoham-pirenena teo aloha,

 

 

 Didier Ratsiraka, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona. Maro ny zava-bitany ka araka ny tenin’ny soratra masina moa dia, izay no anjarany, hoy izy. Aoka ny asany hanaraka azy fa ny velona no hitambesarana adidy sy miara-tompon’andraikitra amin’ny fivoarana na tsia, fandrosoana na tsia an’ity Madagasikara ity. Isan’ny antsoantso foana rehefa misy raiamandreny lasa toy izao ny hoe fihavanana sy soatoavina Malagasy saingy mbola vonon-kiaina izany ve isika? Vonona hiaina fahamarinana, fifankatiavana marina, fombonana ve isika? Izany no anjara adidintsika velona mba tsy ho Madagasikara mihitsy no ho faty sy mahantra lava eto. Manam-petra ny olombelona, ny fahefana, ny aina. Inona no anjara lova ho apetratsika? Hoy aho hoe aleo Madagasikara mamiratra sy feno soa iombonan’ny rehetra. Anjarantsika no manohy ny tantaran’i Madagasikara mba ho amin’izany. Enga anie handry am-piadanana ireo filoham-pirenena miisa 3 efa lasa fa adidin’ireo 3 tavela kosa ny mampiombona ny firenena satria lasa lavitra loatra an’i Madagasikara ny Malagasy. Madagasikara izao manakarena saingy ny Malagasy mahantra ka aoka mba hisitraka ny harenan’ny Madagasikara ny Malagasy mba hiadanany. Adidin’ny rehetra io. Misy fetra ny fahefana sy aina ka aleo maty mamela mamy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT