Toy ny fitaovana rehetra eo am-pelantanan’olombelona ny fitaovan-tserasera, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona.
Arakaraky ny fomba fampiasana azy no mahatsara na maha ratsy azy, hoy izy. Arakaraky ny olona mampiasa azy koa. Raha sanatrian’ny vava angady no natao hifampikapohana na ifamonoana dia zava-doza. Natao iasana tany ny angady. Toy izay koa ny fitaovan-tserasera. Mila ampiasaina am-pahendrena. Hanasoavana fiarahamonina no tena ilana ny tambazotran-tserasera. Ny mahasoa no tokony ho ao. Tena isan’ny toetsaina Malagasy ny hoe tokantrano tsy ahahaka. Tsy natao ho fantratry ny olona rehetra ny momba anao fa io arak’ilay tenin’olon-kendry hoe zava-masina tsirairay ny olona tsirairay. Misy fatra sy fetra ary fotoana sy sehatra tokony ahalalanao hoe ity tokony alefa ato fa tsy hoe ho atao fanta-bahoaka daholo izao rehetra izao. Misy koa hoe idiranao na tsia eo amin’ny fiainana. Mampifanjevo raha idirana daholo ary tsy mba misy hifanajana sy hasina fa lasa fitaovana ifamonoana sy ifanalam-baraka ilay tambazotran-tserasera. Toe-tsaina hifanatsara fa tsy hifampitsara no ilain’ny tsirairay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.