Actualités

Gepimm sy ny Mpanao gazety Manameloka tanteraka ny amboletran’ny fitondrana


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Tsy mbola afaka misioka fa tsy tafavoaka ny ala ny fitondram-panjakana momba ilay fehezan-dalŕna mifehy ny fifandrasaina na dia efa lany teny amin’ny antenimieram-pirenena aza izy ity.

 Namoaka fanambarana iombonana omaly ireo tompon’orinasan-gazety sy serasera (Gepimm), ny holafitry ny mpanao gazety ary ny fikambanan’ny mpanao gazety miady ho amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra ary nanizingizina fa tsy ekena iny lalàna momba fifandraisana lany maimaika teny Tsimbazaza iny. Miantso ny hisian’ny fifampirehasana handinihana ilay volavolan-dalàna efa nahitana marimaritra iraisana, manaitra ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena hampivondrona ny hery amin’ny fanamelohana ny fanosihosena ireo zo fototra ambaran’ny lalàmpanorenana sy ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, ary misarika ny sain’ny fianakaviambe iraisampirenena manoloana ny fihemorana eto Madagasikara. Manamafy ny telo tonta fa hanohy hatrany ny tolona mandra-panaja ireo soatoavina iombonan’ny olombelona manerantany ireo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT